plt_tn/jud/01/05.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Joda dia nanome ohatra taloha ny amin'ireo izay tsy nanaraka ny Tompo.

Te hampahatsiahy anareo aho

"Tiako ho tadidianareo."

Na dia efa fantatrareo tanteraka aza izany

Mety ho dikany: 1) ny teny "efa ... tanteraka" dia milaza ny fomba nahafantaran'ny mpamaky na 2) "amin'ny fotoana iray dia ho fantatrao tanteraka izany."

Ny Tompo dia nanavotra ny olona avy tamin'ny tany Ejipta

"Ny Tompo dia nanavotra ireo Israelita fahiny ela be avy tany Ejipta."

Ny Tompo

Ny lahatsoratra vitsivitsy dia milaza hoe: "Jesosy"

Ny fahefana napetraka tamin'zy ireo

"Ireo andraikitra izay napetrak'Andriamanitra tamin'izy ireo."

Nandao ny fonenan'izy ireo

"Nandao ny toerana notendrena ho azy ireo manokana."

Andriamanitra dia namatotra azy ireo tamin'ny fatorana mandrakizay, ao amin'ny maizin-kitroka tanteraka

"Andriamanitra dia nametraka ireo anjely ireo tany an-tranomaizina izay tsy ahafahan'izy ireo mandositra velively."

Andro lehibe

Andro farany izay hitsaran'Andriamanitra ny rehetra.