# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Joda dia nanome ohatra taloha ny amin'ireo izay tsy nanaraka ny Tompo. # Te hampahatsiahy anareo aho "Tiako ho tadidianareo." # Na dia efa fantatrareo tanteraka aza izany Mety ho dikany: 1) ny teny "efa ... tanteraka" dia milaza ny fomba nahafantaran'ny mpamaky na 2) "amin'ny fotoana iray dia ho fantatrao tanteraka izany." # Ny Tompo dia nanavotra ny olona avy tamin'ny tany Ejipta "Ny Tompo dia nanavotra ireo Israelita fahiny ela be avy tany Ejipta." # Ny Tompo Ny lahatsoratra vitsivitsy dia milaza hoe: "Jesosy" # Ny fahefana napetraka tamin'zy ireo "Ireo andraikitra izay napetrak'Andriamanitra tamin'izy ireo." # Nandao ny fonenan'izy ireo "Nandao ny toerana notendrena ho azy ireo manokana." # Andriamanitra dia namatotra azy ireo tamin'ny fatorana mandrakizay, ao amin'ny maizin-kitroka tanteraka "Andriamanitra dia nametraka ireo anjely ireo tany an-tranomaizina izay tsy ahafahan'izy ireo mandositra velively." # Andro lehibe Andro farany izay hitsaran'Andriamanitra ny rehetra.