plt_tn/job/38/19.md

1.8 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.

Fampahafantarana aminny Ankapobeny:

Isaky ny andininy dia misy andia-teny mifanindran-dalana.

Aiza no lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana— tahaka izany ny aizina, aiza ny toerany?

Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy fantatrao ny lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana na ny aizina."

ny toerana fitsaharan'ny fahazavana

"ny fitoeran'ny fahazavana." Ny fahazavana dia resahina toy ny hoe miala sasatra any amin'ny toerana izay ivoahany isan'andro.

fahazavana

"mazava" na "hazavan'ny masoandroa"

Afaka mitarika ny hazavana sy ny aizina any amin'ireo toeram-piasan'izy ireo ve ianao? Hitanao ve ny lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo?

Ireo fanontaniana ireo dia mitaky valin-teny mandà. Ireo dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy afaka mitarika fahazavana sy aizina any amin'ny toeram-piasan'izy ireo ianao, na mahita lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo."

amin'ny toeram-piasan'izy ireo

"amin'ny faritanin'izy ireo." Ny fahazavana sy ny aizina dia resahina toy ny hoe mivezivezy isan'andro mba hanatanteraka ny tanjon'i Yaveh.

Fantatrao tsy am-pisalasalana ...lava dia lava tokoa ny isan'ny andronao

Yaveh dia mampiasa io sarin-teny fanesoana io mba hanamafisana fa i Joba dia tsy mahatakatra ny fahazavana sy ny aizina. DH: "mazava hoazy fa tsy fantatrao, satria mbola tsy teraka ianao raha namorona ireo Aho, ary mbola tsy tena lehibe ianao."

satria efa teraka tamin'izany ianao

"satria dia efa niaina ianao tamin'izany." Ny teny hoe "tamin'izany" dia manondro ny fotoana izay namoronana ny fahazavana sy ny nanasarahana azy tamin'ny aizina. DH: ""satria efa teraka ianao tamin'ny namoronako azy ireo"

lava dia lava tokoa ny isan'ny andronao

"efa niaina taona maro ianao"