plt_tn/job/38/19.md

40 lines
1.8 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra :
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny:
Isaky ny andininy dia misy andia-teny mifanindran-dalana.
# Aiza no lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana— tahaka izany ny aizina, aiza ny toerany?
Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy fantatrao ny lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana na ny aizina."
# ny toerana fitsaharan'ny fahazavana
"ny fitoeran'ny fahazavana." Ny fahazavana dia resahina toy ny hoe miala sasatra any amin'ny toerana izay ivoahany isan'andro.
# fahazavana
"mazava" na "hazavan'ny masoandroa"
# Afaka mitarika ny hazavana sy ny aizina any amin'ireo toeram-piasan'izy ireo ve ianao? Hitanao ve ny lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo?
Ireo fanontaniana ireo dia mitaky valin-teny mandà. Ireo dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy afaka mitarika fahazavana sy aizina any amin'ny toeram-piasan'izy ireo ianao, na mahita lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo."
# amin'ny toeram-piasan'izy ireo
"amin'ny faritanin'izy ireo." Ny fahazavana sy ny aizina dia resahina toy ny hoe mivezivezy isan'andro mba hanatanteraka ny tanjon'i Yaveh.
# Fantatrao tsy am-pisalasalana ...lava dia lava tokoa ny isan'ny andronao
Yaveh dia mampiasa io sarin-teny fanesoana io mba hanamafisana fa i Joba dia tsy mahatakatra ny fahazavana sy ny aizina. DH: "mazava hoazy fa tsy fantatrao, satria mbola tsy teraka ianao raha namorona ireo Aho, ary mbola tsy tena lehibe ianao."
# satria efa teraka tamin'izany ianao
"satria dia efa niaina ianao tamin'izany." Ny teny hoe "tamin'izany" dia manondro ny fotoana izay namoronana ny fahazavana sy ny nanasarahana azy tamin'ny aizina. DH: ""satria efa teraka ianao tamin'ny namoronako azy ireo"
# lava dia lava tokoa ny isan'ny andronao
"efa niaina taona maro ianao"