# Fampifandraisana ny foto-kevitra : Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh. # Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Isaky ny andininy dia misy andia-teny mifanindran-dalana. # Aiza no lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana— tahaka izany ny aizina, aiza ny toerany? Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy fantatrao ny lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana na ny aizina." # ny toerana fitsaharan'ny fahazavana "ny fitoeran'ny fahazavana." Ny fahazavana dia resahina toy ny hoe miala sasatra any amin'ny toerana izay ivoahany isan'andro. # fahazavana "mazava" na "hazavan'ny masoandroa" # Afaka mitarika ny hazavana sy ny aizina any amin'ireo toeram-piasan'izy ireo ve ianao? Hitanao ve ny lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo? Ireo fanontaniana ireo dia mitaky valin-teny mandà. Ireo dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy afaka mitarika fahazavana sy aizina any amin'ny toeram-piasan'izy ireo ianao, na mahita lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo." # amin'ny toeram-piasan'izy ireo "amin'ny faritanin'izy ireo." Ny fahazavana sy ny aizina dia resahina toy ny hoe mivezivezy isan'andro mba hanatanteraka ny tanjon'i Yaveh. # Fantatrao tsy am-pisalasalana ...lava dia lava tokoa ny isan'ny andronao Yaveh dia mampiasa io sarin-teny fanesoana io mba hanamafisana fa i Joba dia tsy mahatakatra ny fahazavana sy ny aizina. DH: "mazava hoazy fa tsy fantatrao, satria mbola tsy teraka ianao raha namorona ireo Aho, ary mbola tsy tena lehibe ianao." # satria efa teraka tamin'izany ianao "satria dia efa niaina ianao tamin'izany." Ny teny hoe "tamin'izany" dia manondro ny fotoana izay namoronana ny fahazavana sy ny nanasarahana azy tamin'ny aizina. DH: ""satria efa teraka ianao tamin'ny namoronako azy ireo" # lava dia lava tokoa ny isan'ny andronao "efa niaina taona maro ianao"