plt_tn/job/36/19.md

1.0 KiB

Afaka manome tombony anao ve ny harenao ... afaka manampy anao ve ny herin'ny fahatanjahanao rehetra

Manontany io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa ny vola sy ny hery dia tsy hahavita hanampy azy raha manao ny tsy marina izy. DH: "tsy afaka manome tombony ho anao ny harenao ...ny herin'ny fahatanjahanao rehetra dia tsy afaka manampy anao"

ny herin'ny fahatanjahanao rehetra

"ny herinao lehibe rehetra" na "ny ezaka mafinao rehetra"

rehefa esorina eo amin'ny toeran'izy ireo ny olona

Ireo mety ho heviny dia 1) Ny "olona" dia manondro ny olona amin'ny ankapobeny ary ny " esorina eo amin'ny toerana" dia sarin-tenin'ny fampahoriana ny hafa amin'ny alalan'ny fandroahana azy ireo hiala amin'ny tranony. DH: "rehefa misy olona mandroaka ny hafa hiala amin'ny tranony" na 2) Ny "olona" dia mampiseho firenena ary ny "esorina eo amin'ny toerana" dia sarin-tenin'ny firenena eo an-dalam-pahapotehena. DH: "rehefa ho faty ny firenena"

nosedraina tamin'ny fampijaliana ianao

DH: "Andriamanitra dia misedra anao amin'ny fampahoriana"