# Afaka manome tombony anao ve ny harenao ... afaka manampy anao ve ny herin'ny fahatanjahanao rehetra Manontany io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa ny vola sy ny hery dia tsy hahavita hanampy azy raha manao ny tsy marina izy. DH: "tsy afaka manome tombony ho anao ny harenao ...ny herin'ny fahatanjahanao rehetra dia tsy afaka manampy anao" # ny herin'ny fahatanjahanao rehetra "ny herinao lehibe rehetra" na "ny ezaka mafinao rehetra" # rehefa esorina eo amin'ny toeran'izy ireo ny olona Ireo mety ho heviny dia 1) Ny "olona" dia manondro ny olona amin'ny ankapobeny ary ny " esorina eo amin'ny toerana" dia sarin-tenin'ny fampahoriana ny hafa amin'ny alalan'ny fandroahana azy ireo hiala amin'ny tranony. DH: "rehefa misy olona mandroaka ny hafa hiala amin'ny tranony" na 2) Ny "olona" dia mampiseho firenena ary ny "esorina eo amin'ny toerana" dia sarin-tenin'ny firenena eo an-dalam-pahapotehena. DH: "rehefa ho faty ny firenena" # nosedraina tamin'ny fampijaliana ianao DH: "Andriamanitra dia misedra anao amin'ny fampahoriana"