plt_tn/job/24/24.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny fitenenany i Joba.

hahetry izy ireo

DH: "Hanetry azy ireo Andriamanitra" na "hamotika azy ireo Andriamanitra"

hangonina tahaka ny hafa rehetra izy ireo

Ny dikan-teny sasany dia mifototra amin'ny lahatsoratra samihafa tany amboalohany, izay milaza hoe "malazo sy maina tahaka ny ahi-dratsy izy ireo."

hangonina tahaka ny hafa rehetra izy ireo

Ny "hafa" dia azo adika mazava. DH: "Andriamanitra dia hanagona azy ireo tahaka ny nanangonany ireo olona ratsy fanahy hafa"

ho tapahana tahaka ny salohim-bary izy ireo

Ny olona ratsy fanahy dia hotapahina tahaka ny fandidiana ny salohim-bary aminny fotoam-pinjinjana. DH: "Andriamanitra dia hanapaka azy ireo tahaka ny mpamboly manapaka ny salohim-bary"

Raha tsy izany, iza no afaka hanamarina ahy ho mpandainga

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahamarinan'ny heviny. Ny valin-teny miafina dia "tsy misy." DH: "Marina izany, ary tsy misy afaka manaporofo ahy ho mpandainga; tsy misy afaka manaporofo ahy ho diso."

hanao tsinontsinona ny teniko

"hanaporofo fa diso izay lazaiko"