plt_tn/job/20/17.md

812 B
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.

Tsy hankafy ireo renirano, ireo riakan'ny tantely sy ero-dronono

Ny renirano sy riaka dia sarin-teny izay mampiseho fahamaroana. Ny tantely sy ny ero-dronono dia sarin-teny izay mampiseho ny zava-tsoa izay omen'Andriamanitra ny olona. DH: "Ny fahamaroan'ny zava-tsoa izay omen'Andriamanitra ny olona"

vokatra izay nisasarany

Mazava hoazy fa ny "vokatra izay nisasarany" dia manondro ny vokatry ny asany. Eto izany dia manondro ireo zavatra izay nangalarin'ny olona ratsy fanahy. DH: "ny zavatra izay niasany mba ho azony" na "ny zavatra izay nangalariny"

tsy afaka ny hinana izany

Eto, ny "mihinana" ny vokatry ny asany dia mampiseho ny fankafizana ireo zavatra nangalariny. DH: "ary tsy hahavita hankafy ireo izy"