# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara. # Tsy hankafy ireo renirano, ireo riakan'ny tantely sy ero-dronono Ny renirano sy riaka dia sarin-teny izay mampiseho fahamaroana. Ny tantely sy ny ero-dronono dia sarin-teny izay mampiseho ny zava-tsoa izay omen'Andriamanitra ny olona. DH: "Ny fahamaroan'ny zava-tsoa izay omen'Andriamanitra ny olona" # vokatra izay nisasarany Mazava hoazy fa ny "vokatra izay nisasarany" dia manondro ny vokatry ny asany. Eto izany dia manondro ireo zavatra izay nangalarin'ny olona ratsy fanahy. DH: "ny zavatra izay niasany mba ho azony" na "ny zavatra izay nangalariny" # tsy afaka ny hinana izany Eto, ny "mihinana" ny vokatry ny asany dia mampiseho ny fankafizana ireo zavatra nangalariny. DH: "ary tsy hahavita hankafy ireo izy"