plt_tn/job/19/03.md

1017 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.

Tamin'izay nandatsanareo ahy impolo izay

Ny andian-teny "impolo" dia manondro fa efa niteny mafy an'i Joba tanteraka ireo namany. DH: "efa nandatsa ahy tanteraka ianareo" na "efa imbetsaka ianareo no nandatsa ahy"

tsy mba menatra nampahory ahy ianareo

Miteny mafy azy ireo ny amin'izany i Joba. DH: "Tokony ho menatra ianareo ny amin'ny nitondranareo ahy tamin'ny fomba tsy mendrika"

nampahory ahy

"efa nanao tsinontsinona ahy" na "efa naneso ahy ampahibemaso"

efa nania

"efa nanota tsy nahy" na "nanota tsy fidiny"

ny fahadisoako

"ny fahotako" na "ny fahadisoako"

hijanona ho ahy irery ny fahadisoako

Te hilaza i Joba fa ireo namany dia tsy tompon'andraikitra ny amin'ny fanohizana ny fitenenana mafy azy. DH: "andraikitro ny fahadisoako, tsy tokony hanohy ny fitenenana mafy ahy ianareo noho izany" na "tsy nandratra anareo ny fahadisoako, noho izany dia tokony hatsahatrareo ny fitenenana mafy ahy"