# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba. # Tamin'izay nandatsanareo ahy impolo izay Ny andian-teny "impolo" dia manondro fa efa niteny mafy an'i Joba tanteraka ireo namany. DH: "efa nandatsa ahy tanteraka ianareo" na "efa imbetsaka ianareo no nandatsa ahy" # tsy mba menatra nampahory ahy ianareo Miteny mafy azy ireo ny amin'izany i Joba. DH: "Tokony ho menatra ianareo ny amin'ny nitondranareo ahy tamin'ny fomba tsy mendrika" # nampahory ahy "efa nanao tsinontsinona ahy" na "efa naneso ahy ampahibemaso" # efa nania "efa nanota tsy nahy" na "nanota tsy fidiny" # ny fahadisoako "ny fahotako" na "ny fahadisoako" # hijanona ho ahy irery ny fahadisoako Te hilaza i Joba fa ireo namany dia tsy tompon'andraikitra ny amin'ny fanohizana ny fitenenana mafy azy. DH: "andraikitro ny fahadisoako, tsy tokony hanohy ny fitenenana mafy ahy ianareo noho izany" na "tsy nandratra anareo ny fahadisoako, noho izany dia tokony hatsahatrareo ny fitenenana mafy ahy"