plt_tn/job/13/11.md

20 lines
1.4 KiB
Markdown

# Tsy hampitahotra anareo ve ny voninahiny? Tsy hianjera aminareo ve ny fahatahorana Azy?
Mampiasa ireo fanon,taniana ireo i Joba mba hitenenana mafy ireo namany. Ireo mety ho heviny dia 1) milaza i Joba fa tokony hatahotra an'Andriamanitr izy ireo. DH: "Tokony hampitahotra anareo ny voninahiny, ary ny tokony hilatsaka aminareo ny fahatahorana Azy" na 2) milaza i Joba fa hatahotra an'Andriamanitra izy ireo. DH: "Hampitahotra anareo ny voninahiny ary ny hilatsaka aminareo ny fahatahorana Azy!"
# Tsy hianjera aminareo ve ny fahatahorana Azy?
Ny filatsahan' ny fatahorana amin'ny olona dia mampiseho ny fatahoran'izy ireo mafy dia mafy. DH: "tsy hatahotra mafy ve ianao" na "tsy hihorohoro ve ianao"
# Ny teny fahatsiarovanareo dia ohabolana vita amin'ny lavenona
Ny lavenona dia mampiseho zavatra izay zava-poana sy tsy maharitra. DH: "Ny teny fahatsiarovanareo dia zava-poana tahaka ny lavenona" na "Ny teny fahatsiarovanareo dia adino tahaka ny lavenona notsofina"
# teny fiarovanareo dia fiarovana vita amin'ny tanimanga
Ny tenin'izy ireo dia resahin'i Joba toy ny hoe rindrina manodidina tanàna izay vita amin'ny tanimanga; tsy faka miaro ny vahoaka izany satria mora vaky ny tanimanga. DH: "Ny teny fiarovanareo dia tsy misy dikany tahaka ny rindrina tanimanga"
# fiarovanareo
Ireo mety ho heviny dia manondro ny 1) zavatra lazain'izy ireo mba hiarovany ny tenany na 2) zavatra lazain'izy ireo mba hiarovana an'Andriamanitra.