# Tsy hampitahotra anareo ve ny voninahiny? Tsy hianjera aminareo ve ny fahatahorana Azy? Mampiasa ireo fanon,taniana ireo i Joba mba hitenenana mafy ireo namany. Ireo mety ho heviny dia 1) milaza i Joba fa tokony hatahotra an'Andriamanitr izy ireo. DH: "Tokony hampitahotra anareo ny voninahiny, ary ny tokony hilatsaka aminareo ny fahatahorana Azy" na 2) milaza i Joba fa hatahotra an'Andriamanitra izy ireo. DH: "Hampitahotra anareo ny voninahiny ary ny hilatsaka aminareo ny fahatahorana Azy!" # Tsy hianjera aminareo ve ny fahatahorana Azy? Ny filatsahan' ny fatahorana amin'ny olona dia mampiseho ny fatahoran'izy ireo mafy dia mafy. DH: "tsy hatahotra mafy ve ianao" na "tsy hihorohoro ve ianao" # Ny teny fahatsiarovanareo dia ohabolana vita amin'ny lavenona Ny lavenona dia mampiseho zavatra izay zava-poana sy tsy maharitra. DH: "Ny teny fahatsiarovanareo dia zava-poana tahaka ny lavenona" na "Ny teny fahatsiarovanareo dia adino tahaka ny lavenona notsofina" # teny fiarovanareo dia fiarovana vita amin'ny tanimanga Ny tenin'izy ireo dia resahin'i Joba toy ny hoe rindrina manodidina tanĂ na izay vita amin'ny tanimanga; tsy faka miaro ny vahoaka izany satria mora vaky ny tanimanga. DH: "Ny teny fiarovanareo dia tsy misy dikany tahaka ny rindrina tanimanga" # fiarovanareo Ireo mety ho heviny dia manondro ny 1) zavatra lazain'izy ireo mba hiarovany ny tenany na 2) zavatra lazain'izy ireo mba hiarovana an'Andriamanitra.