plt_tn/job/13/11.md

1.4 KiB

Tsy hampitahotra anareo ve ny voninahiny? Tsy hianjera aminareo ve ny fahatahorana Azy?

Mampiasa ireo fanon,taniana ireo i Joba mba hitenenana mafy ireo namany. Ireo mety ho heviny dia 1) milaza i Joba fa tokony hatahotra an'Andriamanitr izy ireo. DH: "Tokony hampitahotra anareo ny voninahiny, ary ny tokony hilatsaka aminareo ny fahatahorana Azy" na 2) milaza i Joba fa hatahotra an'Andriamanitra izy ireo. DH: "Hampitahotra anareo ny voninahiny ary ny hilatsaka aminareo ny fahatahorana Azy!"

Tsy hianjera aminareo ve ny fahatahorana Azy?

Ny filatsahan' ny fatahorana amin'ny olona dia mampiseho ny fatahoran'izy ireo mafy dia mafy. DH: "tsy hatahotra mafy ve ianao" na "tsy hihorohoro ve ianao"

Ny teny fahatsiarovanareo dia ohabolana vita amin'ny lavenona

Ny lavenona dia mampiseho zavatra izay zava-poana sy tsy maharitra. DH: "Ny teny fahatsiarovanareo dia zava-poana tahaka ny lavenona" na "Ny teny fahatsiarovanareo dia adino tahaka ny lavenona notsofina"

teny fiarovanareo dia fiarovana vita amin'ny tanimanga

Ny tenin'izy ireo dia resahin'i Joba toy ny hoe rindrina manodidina tanàna izay vita amin'ny tanimanga; tsy faka miaro ny vahoaka izany satria mora vaky ny tanimanga. DH: "Ny teny fiarovanareo dia tsy misy dikany tahaka ny rindrina tanimanga"

fiarovanareo

Ireo mety ho heviny dia manondro ny 1) zavatra lazain'izy ireo mba hiarovany ny tenany na 2) zavatra lazain'izy ireo mba hiarovana an'Andriamanitra.