plt_tn/job/07/11.md

820 B

hiteny amin'ny fahorian'ny fanahiko; hitaraina amin'ny fangidian'ny fanahiko aho

Mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny fampiasana fanambarana samihafa i Joba mba hnamafisany ny antony tsy hanginany.

tsy hanakombona ny vavako

"tsy hitsahatra hiteny aho"

ny fahorian'ny fanahiko

"ny fijalian'ny fanahiko" na "ny fahorian'ny fanahiko"

ny fangidian'ny fanahiko

"ny fahasosoran'ny fanahiko"

Moa ve ranomasina aho na bibi-dian'ny ranomasina no asinao fiambenana eo amiko?

Mametraka io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahatezerany amin' Andriamanitra. Amin'ny fampitahany ny tenany amin'ny ranomasina na biby masiaka an-dranomasina no hanehoan'i Joba fa mihevitra azy ho zava-boaary ratsy tarehy Andriamanitra. "Tsy ranomasina na biby masiaka an-dranomasina aho ka ilàna mpiambina hiambina izany."