# hiteny amin'ny fahorian'ny fanahiko; hitaraina amin'ny fangidian'ny fanahiko aho Mampita hevitra iray amin'ny alalan'ny fampiasana fanambarana samihafa i Joba mba hnamafisany ny antony tsy hanginany. # tsy hanakombona ny vavako "tsy hitsahatra hiteny aho" # ny fahorian'ny fanahiko "ny fijalian'ny fanahiko" na "ny fahorian'ny fanahiko" # ny fangidian'ny fanahiko "ny fahasosoran'ny fanahiko" # Moa ve ranomasina aho na bibi-dian'ny ranomasina no asinao fiambenana eo amiko? Mametraka io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahatezerany amin' Andriamanitra. Amin'ny fampitahany ny tenany amin'ny ranomasina na biby masiaka an-dranomasina no hanehoan'i Joba fa mihevitra azy ho zava-boaary ratsy tarehy Andriamanitra. "Tsy ranomasina na biby masiaka an-dranomasina aho ka ilàna mpiambina hiambina izany."