plt_tn/job/04/07.md

1.8 KiB

iza no efa nringana tsy nanan-tsiny?

Mampiasan io fanontaniana io i Elifaza mba hibitsihana an'i Joba mba handinika ny fiainany ny amin'ny fahotana ( sy ny fitsara-marin'Andriamanitra) ho toy ny anton'ny fahaverezany. DH: "Tsy mbola nisy novonoina nefa tsy nanan-tsiny."

oviana ireo olo-marina no nopotehina?

Io fanontaniana io ihany koa dia midika fanaovana fanambarana, afaka atao fehezanteny tso-drafitra. DH: "Tsy mbola nisy namotika olo-marina."

namotika

Ny fahapotehana eto dia mampiseho faharavana.

izay mamboly heloka...mamafy olana...mijinja

Ny mamboly sy ny mamafy eto dia mampiseho fiterahana olana amin'ny olona hafa. Ny mijinja dia mampiseho fijaliana vokatry ny olana izay nataon'ny tenany.

Amin'ny fofonain'Andriamanitra no haharingana azy ireo; amin'ny fipoahan'ny hatezerany no ahalevona azy ireo

Manazava hevitra iray ny mpanoratra eto amin'ny fampiasana fanambarana roa samihafa. Io dia endrika tononkalo Hebreo nampiasaina mba hanamafisana, hanazavana, hampianarana, na izy telo mihitsy.

ny fofonain'Andriamanitra

Io dia mety mampiseho fihetsik'Andriamanitra manome baiko.

fipoahan'ny hatezerany

Io fomba fiteny io dia milaza fofonaina mafy izay matetika atao amin'ny orona rehefa tena tezitra izy.

fofonaina...fipoahana

Ilay faharoa dia miorina amin'ilay voalohany. Milaza zavatra mitovy ireo amin'ny alalan'ny fanazavana izay mampiaka-danja ny vokany. "Indray mitsoka ny vavan'Andriamanitra dia maty izy ireo; mandrava azy ireo ny fifofofofon'ny rivo-pahatezerany."

ringana...levona

Ilay andian-teny faharoa dia miorina amin'ilay voalohany. milaza zavatra mitovy ireo. "Indray mitsoka ny vavan'Andriamanitra dia maty izy ireo, mandrava azy ireo, ny fifofofofon'ny rivo-pahatezerany."

levona izy ireo

Ny fahalevonana na fahalaniana eto dia mampiseho fahafatesana