plt_tn/job/04/07.md

40 lines
1.8 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# iza no efa nringana tsy nanan-tsiny?
Mampiasan io fanontaniana io i Elifaza mba hibitsihana an'i Joba mba handinika ny fiainany ny amin'ny fahotana ( sy ny fitsara-marin'Andriamanitra) ho toy ny anton'ny fahaverezany. DH: "Tsy mbola nisy novonoina nefa tsy nanan-tsiny."
# oviana ireo olo-marina no nopotehina?
Io fanontaniana io ihany koa dia midika fanaovana fanambarana, afaka atao fehezanteny tso-drafitra. DH: "Tsy mbola nisy namotika olo-marina."
# namotika
Ny fahapotehana eto dia mampiseho faharavana.
# izay mamboly heloka...mamafy olana...mijinja
Ny mamboly sy ny mamafy eto dia mampiseho fiterahana olana amin'ny olona hafa. Ny mijinja dia mampiseho fijaliana vokatry ny olana izay nataon'ny tenany.
# Amin'ny fofonain'Andriamanitra no haharingana azy ireo; amin'ny fipoahan'ny hatezerany no ahalevona azy ireo
Manazava hevitra iray ny mpanoratra eto amin'ny fampiasana fanambarana roa samihafa. Io dia endrika tononkalo Hebreo nampiasaina mba hanamafisana, hanazavana, hampianarana, na izy telo mihitsy.
# ny fofonain'Andriamanitra
Io dia mety mampiseho fihetsik'Andriamanitra manome baiko.
# fipoahan'ny hatezerany
Io fomba fiteny io dia milaza fofonaina mafy izay matetika atao amin'ny orona rehefa tena tezitra izy.
# fofonaina...fipoahana
Ilay faharoa dia miorina amin'ilay voalohany. Milaza zavatra mitovy ireo amin'ny alalan'ny fanazavana izay mampiaka-danja ny vokany. "Indray mitsoka ny vavan'Andriamanitra dia maty izy ireo; mandrava azy ireo ny fifofofofon'ny rivo-pahatezerany."
# ringana...levona
Ilay andian-teny faharoa dia miorina amin'ilay voalohany. milaza zavatra mitovy ireo. "Indray mitsoka ny vavan'Andriamanitra dia maty izy ireo, mandrava azy ireo, ny fifofofofon'ny rivo-pahatezerany."
# levona izy ireo
Ny fahalevonana na fahalaniana eto dia mampiseho fahafatesana