# iza no efa nringana tsy nanan-tsiny? Mampiasan io fanontaniana io i Elifaza mba hibitsihana an'i Joba mba handinika ny fiainany ny amin'ny fahotana ( sy ny fitsara-marin'Andriamanitra) ho toy ny anton'ny fahaverezany. DH: "Tsy mbola nisy novonoina nefa tsy nanan-tsiny." # oviana ireo olo-marina no nopotehina? Io fanontaniana io ihany koa dia midika fanaovana fanambarana, afaka atao fehezanteny tso-drafitra. DH: "Tsy mbola nisy namotika olo-marina." # namotika Ny fahapotehana eto dia mampiseho faharavana. # izay mamboly heloka...mamafy olana...mijinja Ny mamboly sy ny mamafy eto dia mampiseho fiterahana olana amin'ny olona hafa. Ny mijinja dia mampiseho fijaliana vokatry ny olana izay nataon'ny tenany. # Amin'ny fofonain'Andriamanitra no haharingana azy ireo; amin'ny fipoahan'ny hatezerany no ahalevona azy ireo Manazava hevitra iray ny mpanoratra eto amin'ny fampiasana fanambarana roa samihafa. Io dia endrika tononkalo Hebreo nampiasaina mba hanamafisana, hanazavana, hampianarana, na izy telo mihitsy. # ny fofonain'Andriamanitra Io dia mety mampiseho fihetsik'Andriamanitra manome baiko. # fipoahan'ny hatezerany Io fomba fiteny io dia milaza fofonaina mafy izay matetika atao amin'ny orona rehefa tena tezitra izy. # fofonaina...fipoahana Ilay faharoa dia miorina amin'ilay voalohany. Milaza zavatra mitovy ireo amin'ny alalan'ny fanazavana izay mampiaka-danja ny vokany. "Indray mitsoka ny vavan'Andriamanitra dia maty izy ireo; mandrava azy ireo ny fifofofofon'ny rivo-pahatezerany." # ringana...levona Ilay andian-teny faharoa dia miorina amin'ilay voalohany. milaza zavatra mitovy ireo. "Indray mitsoka ny vavan'Andriamanitra dia maty izy ireo, mandrava azy ireo, ny fifofofofon'ny rivo-pahatezerany." # levona izy ireo Ny fahalevonana na fahalaniana eto dia mampiseho fahafatesana