plt_tn/jhn/14/04.md

875 B

ahoana no hahafantaranay ny lalana?

"Ahoana no hahafantaranay ny fomba hankanesana any?"

ny lalana

Ity dia sari-teny izay mety midika hoe: 1) "ny lalana mankany amin'Andriamanitra" na 2) "ilay Iray izay mitondra ny olona ho any amin'Andriamanitra."

fahamarinana

Ity dia sari-teny izay mety midika hoe: 1) "ilay olona marina" na 2) "ilay Iray izay miteny ny teny marina momban'Andriamanitra."

fiainana

Ity dia sari-teny midika fa Jesosy dia afaka manome fiainana ho an'ny olona. DH: "ilay Iray afaka mamelona olona"

tsy misy manatona ny Ray raha tsy amin'ny alalako

Ny olona dia tsy afaka manatona an' Andriamanitra sy miaina miaraka Aminy raha tsy amin'ny alalan'ny fahatokisana an'i Jesosy ihany. DH: "Tsy misy olona afaka mankany amin'ny Ray sy miaina miaraka aminy raha tsy manatona Ahy izy"

Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.