# ahoana no hahafantaranay ny lalana? "Ahoana no hahafantaranay ny fomba hankanesana any?" # ny lalana Ity dia sari-teny izay mety midika hoe: 1) "ny lalana mankany amin'Andriamanitra" na 2) "ilay Iray izay mitondra ny olona ho any amin'Andriamanitra." # fahamarinana Ity dia sari-teny izay mety midika hoe: 1) "ilay olona marina" na 2) "ilay Iray izay miteny ny teny marina momban'Andriamanitra." # fiainana Ity dia sari-teny midika fa Jesosy dia afaka manome fiainana ho an'ny olona. DH: "ilay Iray afaka mamelona olona" # tsy misy manatona ny Ray raha tsy amin'ny alalako Ny olona dia tsy afaka manatona an' Andriamanitra sy miaina miaraka Aminy raha tsy amin'ny alalan'ny fahatokisana an'i Jesosy ihany. DH: "Tsy misy olona afaka mankany amin'ny Ray sy miaina miaraka aminy raha tsy manatona Ahy izy" # Ray Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.