plt_tn/jhn/14/01.md

28 lines
890 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Mbola mitohy ny fizarana ao amin'ny tantara nanomboka tao amin'ny toko teo aloha. Jesosy mipetraka eo amin'ny latabatra miaraka amin'ireo mpianany ary manohy miresaka amin'izy ireo.
# Aza avela hangorohoro ny fonareo
Fomba fiteny ity. Ny hoe mangorohoro fo dia midika hoe mitaintaina na manahy. DH: "Atsaharo ny fitaintainana sy fanahiana"
# Ao an-tranon'ny Raiko misy efitra be dia be
"misy toerana be dia be azo hipetrahana ao amin'ny tranon'ny Raiko"
# Ao an-tranon'ny Raiko
Ity dia maneho ny lanitra, ilay toerana ipetrahan'Andriamanitra.
# Ray
Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.
# efitra maro
Ny hoe "efitra" eto dia mety maneho efitra tokana na fonenana be.
# fa hanomana toerana ho anareo
Jesosy dia hanomana toerana any an-danitra ho an'ireo olona izay mahatoky Azy. Ny hoe "anareo" dia maneho ireo mpianany rehetra.