# Fampifandraisana ny foto-kevitra Mbola mitohy ny fizarana ao amin'ny tantara nanomboka tao amin'ny toko teo aloha. Jesosy mipetraka eo amin'ny latabatra miaraka amin'ireo mpianany ary manohy miresaka amin'izy ireo. # Aza avela hangorohoro ny fonareo Fomba fiteny ity. Ny hoe mangorohoro fo dia midika hoe mitaintaina na manahy. DH: "Atsaharo ny fitaintainana sy fanahiana" # Ao an-tranon'ny Raiko misy efitra be dia be "misy toerana be dia be azo hipetrahana ao amin'ny tranon'ny Raiko" # Ao an-tranon'ny Raiko Ity dia maneho ny lanitra, ilay toerana ipetrahan'Andriamanitra. # Ray Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra. # efitra maro Ny hoe "efitra" eto dia mety maneho efitra tokana na fonenana be. # fa hanomana toerana ho anareo Jesosy dia hanomana toerana any an-danitra ho an'ireo olona izay mahatoky Azy. Ny hoe "anareo" dia maneho ireo mpianany rehetra.