plt_tn/jhn/14/01.md

890 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Mbola mitohy ny fizarana ao amin'ny tantara nanomboka tao amin'ny toko teo aloha. Jesosy mipetraka eo amin'ny latabatra miaraka amin'ireo mpianany ary manohy miresaka amin'izy ireo.

Aza avela hangorohoro ny fonareo

Fomba fiteny ity. Ny hoe mangorohoro fo dia midika hoe mitaintaina na manahy. DH: "Atsaharo ny fitaintainana sy fanahiana"

Ao an-tranon'ny Raiko misy efitra be dia be

"misy toerana be dia be azo hipetrahana ao amin'ny tranon'ny Raiko"

Ao an-tranon'ny Raiko

Ity dia maneho ny lanitra, ilay toerana ipetrahan'Andriamanitra.

Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

efitra maro

Ny hoe "efitra" eto dia mety maneho efitra tokana na fonenana be.

fa hanomana toerana ho anareo

Jesosy dia hanomana toerana any an-danitra ho an'ireo olona izay mahatoky Azy. Ny hoe "anareo" dia maneho ireo mpianany rehetra.