plt_tn/jhn/12/46.md

20 lines
872 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Jesosy dia manohy miresaka amin'ireo vahoaka.
# Izaho dia tonga toy ny hazavana
DH: "Tonga Aho mba hampiseho ny fahamarinana"
# tsy hitoetra ao anaty haizina
Eto ny "haizina" dia sari-teny hilazana hoe miaina ao amin'ny tsy fahalalana ny fahamarinan' Andriamanitra. DH: "tsy ho jamba ara-panahy izay mino Ahy"
# Raha misy maheno ny teniko nefa tsy mitandrina izany, dia tsy hitsara azy Aho; satria Aho tsy tonga hitsara izao tontolo izao, fa hanavotra izao tontolo izao
Eto ny "hitsara izao tontolo izao" milaza fanamelohana. Jesosy dia tsy tonga hitsara ny olona. DH: "Fa raha misy maheno ny fampianarako ka mandà izany, dia tsy manameloka azy Aho. Tsy tonga hanameloka olona Aho. Fa kosa, tonga hanavotra ireo izay mahatoky Ahy"
# izao tontolo izao
Eto ny "izao tontolo izao" dia maneho ny olona rehetra eto ambonin'ny tany.