plt_tn/jhn/12/46.md

872 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy dia manohy miresaka amin'ireo vahoaka.

Izaho dia tonga toy ny hazavana

DH: "Tonga Aho mba hampiseho ny fahamarinana"

tsy hitoetra ao anaty haizina

Eto ny "haizina" dia sari-teny hilazana hoe miaina ao amin'ny tsy fahalalana ny fahamarinan' Andriamanitra. DH: "tsy ho jamba ara-panahy izay mino Ahy"

Raha misy maheno ny teniko nefa tsy mitandrina izany, dia tsy hitsara azy Aho; satria Aho tsy tonga hitsara izao tontolo izao, fa hanavotra izao tontolo izao

Eto ny "hitsara izao tontolo izao" milaza fanamelohana. Jesosy dia tsy tonga hitsara ny olona. DH: "Fa raha misy maheno ny fampianarako ka mandà izany, dia tsy manameloka azy Aho. Tsy tonga hanameloka olona Aho. Fa kosa, tonga hanavotra ireo izay mahatoky Ahy"

izao tontolo izao

Eto ny "izao tontolo izao" dia maneho ny olona rehetra eto ambonin'ny tany.