# Fampifandraisana ny foto-kevitra Jesosy dia manohy miresaka amin'ireo vahoaka. # Izaho dia tonga toy ny hazavana DH: "Tonga Aho mba hampiseho ny fahamarinana" # tsy hitoetra ao anaty haizina Eto ny "haizina" dia sari-teny hilazana hoe miaina ao amin'ny tsy fahalalana ny fahamarinan' Andriamanitra. DH: "tsy ho jamba ara-panahy izay mino Ahy" # Raha misy maheno ny teniko nefa tsy mitandrina izany, dia tsy hitsara azy Aho; satria Aho tsy tonga hitsara izao tontolo izao, fa hanavotra izao tontolo izao Eto ny "hitsara izao tontolo izao" milaza fanamelohana. Jesosy dia tsy tonga hitsara ny olona. DH: "Fa raha misy maheno ny fampianarako ka mandà izany, dia tsy manameloka azy Aho. Tsy tonga hanameloka olona Aho. Fa kosa, tonga hanavotra ireo izay mahatoky Ahy" # izao tontolo izao Eto ny "izao tontolo izao" dia maneho ny olona rehetra eto ambonin'ny tany.