plt_tn/jhn/03/31.md

1.1 KiB

Izy izay avy any ambony dia ambonin'ny zava-drehetra

"Izy izay avy any an-danitra dia lehibe kokoa noho ny olona rehetra"

Izy izay avy eto an-tany dia avy eto an-tany ary miresaka momban'ny eto an-tany

Jaona dia milaza fa Jesosy dia lehibe noho izy satria avy any an-danitra Izy, ary Jaona dia teraka teto an-tany. DH: "Izy izay teraka teto amin'ity tany ity dia tahaka ny olona rehetra izay miaina eto ary izy dia miresaka ny momban'izay mitranga eto amin'izao tontolo izao"

Izy izay avy any an-danitra dia ambonin'ny zava-drehetra

Ity dia mitovy dika amin'ilay fehezanteny voalohany. Jaona mamerina ity mba ho fanamafisana.

Izy dia manambara ny momba izay hitany sy reny

Jaona dia miresaka momban'i Jesosy. DH: "Ilay avy any an-danitra milaza ny momba izay hitany sy reny tany an-danitra."

tsy misy mandray ny fanambarany

Eto Jaona dia manatombo resaka mba hanamafisana fa olona vitsy ihany no mino an'i Jesosy. DH: "Tena olona vitsy no mino Azy."

Izay nandray ny fanambarany

"Izay rehetra mahatoky izay lazain'i Jesosy"

dia nanamafy

"manaporofo" na "manaiky"