# Izy izay avy any ambony dia ambonin'ny zava-drehetra "Izy izay avy any an-danitra dia lehibe kokoa noho ny olona rehetra" # Izy izay avy eto an-tany dia avy eto an-tany ary miresaka momban'ny eto an-tany Jaona dia milaza fa Jesosy dia lehibe noho izy satria avy any an-danitra Izy, ary Jaona dia teraka teto an-tany. DH: "Izy izay teraka teto amin'ity tany ity dia tahaka ny olona rehetra izay miaina eto ary izy dia miresaka ny momban'izay mitranga eto amin'izao tontolo izao" # Izy izay avy any an-danitra dia ambonin'ny zava-drehetra Ity dia mitovy dika amin'ilay fehezanteny voalohany. Jaona mamerina ity mba ho fanamafisana. # Izy dia manambara ny momba izay hitany sy reny Jaona dia miresaka momban'i Jesosy. DH: "Ilay avy any an-danitra milaza ny momba izay hitany sy reny tany an-danitra." # tsy misy mandray ny fanambarany Eto Jaona dia manatombo resaka mba hanamafisana fa olona vitsy ihany no mino an'i Jesosy. DH: "Tena olona vitsy no mino Azy." # Izay nandray ny fanambarany "Izay rehetra mahatoky izay lazain'i Jesosy" # dia nanamafy "manaporofo" na "manaiky"