plt_tn/isa/64/06.md

20 lines
947 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'i Yaveh ny vahoakan'Israely.
# ireo asam-pahamarinanay rehetra dia tahaka ny ravin-damban'ny fadim-bolana
Ny "ravin-damban'ny fadim-bolana" dia lamba izay ampiasain'ny vehivavy mandritra ny fotoana anatin'ny volana rehefa mandeha rà ny tranon-janany. Io dia midika fa tsy nankasitrahan'Andriamanitra avokoa ny andran'izy ireo. Io fehezanteny io dia natao mba hanafintohina.
# Malazo tahaka ny ravina avokoa izahay
Mampitaha ny vahoakan'Israely amin'ny ravina izay maina rehefa maty Isaia.
# ireo helokay dia mitondra anay lavitra, tahaka ny rivotra
Midika izany fa ny fahotan'izy ireo, amin'ny maha-fiarahamonina, no anton'ny tsy fahombiazan'izy ireo. Mampitaha ny heloka amin'ny rivotra sy ny herin'ny sazy mangirifirin'i Yaveh izay nahazo azy ireo Isaia.
# nanafina ny tavanao taminay Ianao
Midika izany fa namela ny vahoakany ary namela azy ireo hijaly Andriamanitra.