# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'i Yaveh ny vahoakan'Israely. # ireo asam-pahamarinanay rehetra dia tahaka ny ravin-damban'ny fadim-bolana Ny "ravin-damban'ny fadim-bolana" dia lamba izay ampiasain'ny vehivavy mandritra ny fotoana anatin'ny volana rehefa mandeha rĂ  ny tranon-janany. Io dia midika fa tsy nankasitrahan'Andriamanitra avokoa ny andran'izy ireo. Io fehezanteny io dia natao mba hanafintohina. # Malazo tahaka ny ravina avokoa izahay Mampitaha ny vahoakan'Israely amin'ny ravina izay maina rehefa maty Isaia. # ireo helokay dia mitondra anay lavitra, tahaka ny rivotra Midika izany fa ny fahotan'izy ireo, amin'ny maha-fiarahamonina, no anton'ny tsy fahombiazan'izy ireo. Mampitaha ny heloka amin'ny rivotra sy ny herin'ny sazy mangirifirin'i Yaveh izay nahazo azy ireo Isaia. # nanafina ny tavanao taminay Ianao Midika izany fa namela ny vahoakany ary namela azy ireo hijaly Andriamanitra.