plt_tn/isa/58/04.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely amin'ny famaliana ny fanontaniana fanambin'izy ireo Yaveh.

Indro

"Henoy". Miatrika ny fanontanian'izy ireo amin'ny filazana amin'izy ireo ny mba hihainoana Yaveh.

totohondrin'ny faharatsianareo

"totohondry ratsy." Io dia maneho fa niady an-kabibiana izy ireo. Ny "totohondry" dia manambara ny hatezerana izay herisetra ara-nofo.

Izany tokoa ve no karazana fifadiana tiako...ao ambaniny?

Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. Nanao zavatra tahaka ny hoe nanetri-tena teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo, nefa nandratra olon-kafa izy ireo. DH: "Tsy izany no karazana fifadian-kanina tiako...ao ambaniny."

Andro hanetren'ny rehetra ny tenany, mba hampiondrehany ny lohany tahaka ny volotara

Io dia midika fa niankohoka ny olona, nefa tsy tena fanetre-tena marina izany. Ny "volotara" dia manambara zava-maniry malefaka izay milefika mora foana.

Fifadiana tokoa ve no hiantsoanareo izany, andro hifalian'i Yaveh?

Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. DH: "Tsy nihevitra izany ho karazana fifadian-kanina izay ankasitrahako tokoa ianareo!"