# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely amin'ny famaliana ny fanontaniana fanambin'izy ireo Yaveh. # Indro "Henoy". Miatrika ny fanontanian'izy ireo amin'ny filazana amin'izy ireo ny mba hihainoana Yaveh. # totohondrin'ny faharatsianareo "totohondry ratsy." Io dia maneho fa niady an-kabibiana izy ireo. Ny "totohondry" dia manambara ny hatezerana izay herisetra ara-nofo. # Izany tokoa ve no karazana fifadiana tiako...ao ambaniny? Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. Nanao zavatra tahaka ny hoe nanetri-tena teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo, nefa nandratra olon-kafa izy ireo. DH: "Tsy izany no karazana fifadian-kanina tiako...ao ambaniny." # Andro hanetren'ny rehetra ny tenany, mba hampiondrehany ny lohany tahaka ny volotara Io dia midika fa niankohoka ny olona, nefa tsy tena fanetre-tena marina izany. Ny "volotara" dia manambara zava-maniry malefaka izay milefika mora foana. # Fifadiana tokoa ve no hiantsoanareo izany, andro hifalian'i Yaveh? Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. DH: "Tsy nihevitra izany ho karazana fifadian-kanina izay ankasitrahako tokoa ianareo!"