plt_tn/isa/58/04.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely amin'ny famaliana ny fanontaniana fanambin'izy ireo Yaveh.
# Indro
"Henoy". Miatrika ny fanontanian'izy ireo amin'ny filazana amin'izy ireo ny mba hihainoana Yaveh.
# totohondrin'ny faharatsianareo
"totohondry ratsy." Io dia maneho fa niady an-kabibiana izy ireo. Ny "totohondry" dia manambara ny hatezerana izay herisetra ara-nofo.
# Izany tokoa ve no karazana fifadiana tiako...ao ambaniny?
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. Nanao zavatra tahaka ny hoe nanetri-tena teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo, nefa nandratra olon-kafa izy ireo. DH: "Tsy izany no karazana fifadian-kanina tiako...ao ambaniny."
# Andro hanetren'ny rehetra ny tenany, mba hampiondrehany ny lohany tahaka ny volotara
Io dia midika fa niankohoka ny olona, nefa tsy tena fanetre-tena marina izany. Ny "volotara" dia manambara zava-maniry malefaka izay milefika mora foana.
# Fifadiana tokoa ve no hiantsoanareo izany, andro hifalian'i Yaveh?
Mampiasa fanontaniana Yaveh mba hibedesana ny vahoaka. DH: "Tsy nihevitra izany ho karazana fifadian-kanina izay ankasitrahako tokoa ianareo!"