plt_tn/isa/53/07.md

702 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)

Nampahoriana Izy

DH: "Nampijaly mafy Azy izy ireo"

tsy nisoka-bava

Ny "vava" dia manondro izay lazain'ny olona. Ny fanokafana ny vavan'olona dia midika hoe miteny. DH: "tsy nanohitra Izy"

tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana, sy tahaka ny ondry izay mangina manoloana ny mpanety azy

Mampitaha ilay mpanompo amin'ny zanak'ondry sy ondry i Isaia mba hanindriana fa hangina Izy raha mampijaly sy manala-baraka Azy ny olona.

tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana

DH: "tahaka ny zanak'ondry izay mangina raha mamono izany ny olona"