plt_tn/isa/53/07.md

20 lines
702 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
# Nampahoriana Izy
DH: "Nampijaly mafy Azy izy ireo"
# tsy nisoka-bava
Ny "vava" dia manondro izay lazain'ny olona. Ny fanokafana ny vavan'olona dia midika hoe miteny. DH: "tsy nanohitra Izy"
# tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana, sy tahaka ny ondry izay mangina manoloana ny mpanety azy
Mampitaha ilay mpanompo amin'ny zanak'ondry sy ondry i Isaia mba hanindriana fa hangina Izy raha mampijaly sy manala-baraka Azy ny olona.
# tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana
DH: "tahaka ny zanak'ondry izay mangina raha mamono izany ny olona"