# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1) # Nampahoriana Izy DH: "Nampijaly mafy Azy izy ireo" # tsy nisoka-bava Ny "vava" dia manondro izay lazain'ny olona. Ny fanokafana ny vavan'olona dia midika hoe miteny. DH: "tsy nanohitra Izy" # tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana, sy tahaka ny ondry izay mangina manoloana ny mpanety azy Mampitaha ilay mpanompo amin'ny zanak'ondry sy ondry i Isaia mba hanindriana fa hangina Izy raha mampijaly sy manala-baraka Azy ny olona. # tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana DH: "tahaka ny zanak'ondry izay mangina raha mamono izany ny olona"