plt_tn/isa/53/05.md

16 lines
699 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)
# Fa nolefonina noho ireo asa fikomiantsika Izy; potika noho ireo otantsika Izy
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa nijaly noho ny fahotan'ny olona ilay mpanompo. DH: "Namela ny fahavalo hanindrona sy hamono Azy noho ireo fahotantsika Andriamanitra"
# Ny sazin'ny fiadanantsika dia teo Aminy
Io dia manondro ny fiadanan'Andriamanitra. Afaka ambara mazava izany. DH: "Nanaiky izany sazy izany Izy mba ahafahantsika miaina am-pilaminana"
# tamin'ireo ratrany no nahasitrana antsika
DH: "nanasitrana antsika tamin'ny fangirifirian'ireo ratrany Izy"