plt_tn/isa/53/05.md

699 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. (Jereo: 53:1)

Fa nolefonina noho ireo asa fikomiantsika Izy; potika noho ireo otantsika Izy

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa nijaly noho ny fahotan'ny olona ilay mpanompo. DH: "Namela ny fahavalo hanindrona sy hamono Azy noho ireo fahotantsika Andriamanitra"

Ny sazin'ny fiadanantsika dia teo Aminy

Io dia manondro ny fiadanan'Andriamanitra. Afaka ambara mazava izany. DH: "Nanaiky izany sazy izany Izy mba ahafahantsika miaina am-pilaminana"

tamin'ireo ratrany no nahasitrana antsika

DH: "nanasitrana antsika tamin'ny fangirifirian'ireo ratrany Izy"