plt_tn/isa/53/01.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Eto Isaia dia manoritsoritra ireo tranga izay hitranga amin'ny hoavy toy ny hoe efa nitranga tany aloha ireo. Io dia manindry fa hitranga tokoa izany.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia.

Iza no nino izay reny avy taminay

Izay vao hitan'i Isaia dia tena mahagaga tokoa ka manontani-tena izy raha hino izany ireo voasesitany. Ny hoe "taminay" dia mampiditra azy sy ireo izay tany an-tsesitany. DH: "Tena sarotra ho an'ny olona ny hino izay renay"

ary tamin'iza no nampisehoana ny sandrin'i Yaveh?

Ny sandry dia manondro ny herin'Andriamanitra. DH: "ary nampiseho ny heriny tamin'ny vahoaka Yaveh."

Fa nitombo tahaka ny zana-kazo madinika teo anatrehan'i Yaveh izy

Eto ny hoe "izy" dia manondro ilay mpanompon'Andriamanitra izay ampitahain'i Isaia amin'ny hazo tena mbola tanora. Io dia manindry fa hiseho ho malemy izy.

avy ao amin'ny tany karakaina

Ny "tany karakaina" dia tany mafy sy maina izay tsy hisy zava-maniry haniry ary manindry izay halehan'ilay mpanompon'i Yaveh. DH: "avy amin'ny tranga tsy mitombona"