plt_tn/isa/53/01.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Eto Isaia dia manoritsoritra ireo tranga izay hitranga amin'ny hoavy toy ny hoe efa nitranga tany aloha ireo. Io dia manindry fa hitranga tokoa izany.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia.
# Iza no nino izay reny avy taminay
Izay vao hitan'i Isaia dia tena mahagaga tokoa ka manontani-tena izy raha hino izany ireo voasesitany. Ny hoe "taminay" dia mampiditra azy sy ireo izay tany an-tsesitany. DH: "Tena sarotra ho an'ny olona ny hino izay renay"
# ary tamin'iza no nampisehoana ny sandrin'i Yaveh?
Ny sandry dia manondro ny herin'Andriamanitra. DH: "ary nampiseho ny heriny tamin'ny vahoaka Yaveh."
# Fa nitombo tahaka ny zana-kazo madinika teo anatrehan'i Yaveh izy
Eto ny hoe "izy" dia manondro ilay mpanompon'Andriamanitra izay ampitahain'i Isaia amin'ny hazo tena mbola tanora. Io dia manindry fa hiseho ho malemy izy.
# avy ao amin'ny tany karakaina
Ny "tany karakaina" dia tany mafy sy maina izay tsy hisy zava-maniry haniry ary manindry izay halehan'ilay mpanompon'i Yaveh. DH: "avy amin'ny tranga tsy mitombona"