# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto Isaia dia manoritsoritra ireo tranga izay hitranga amin'ny hoavy toy ny hoe efa nitranga tany aloha ireo. Io dia manindry fa hitranga tokoa izany. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy manoritsoritra ilay mpanompon'i Yaveh Isaia. # Iza no nino izay reny avy taminay Izay vao hitan'i Isaia dia tena mahagaga tokoa ka manontani-tena izy raha hino izany ireo voasesitany. Ny hoe "taminay" dia mampiditra azy sy ireo izay tany an-tsesitany. DH: "Tena sarotra ho an'ny olona ny hino izay renay" # ary tamin'iza no nampisehoana ny sandrin'i Yaveh? Ny sandry dia manondro ny herin'Andriamanitra. DH: "ary nampiseho ny heriny tamin'ny vahoaka Yaveh." # Fa nitombo tahaka ny zana-kazo madinika teo anatrehan'i Yaveh izy Eto ny hoe "izy" dia manondro ilay mpanompon'Andriamanitra izay ampitahain'i Isaia amin'ny hazo tena mbola tanora. Io dia manindry fa hiseho ho malemy izy. # avy ao amin'ny tany karakaina Ny "tany karakaina" dia tany mafy sy maina izay tsy hisy zava-maniry haniry ary manindry izay halehan'ilay mpanompon'i Yaveh. DH: "avy amin'ny tranga tsy mitombona"