plt_tn/isa/51/06.md

20 lines
829 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
# Atopazo eny amin'ny lanitra ny masonareo
Ny fanopazana ny maso dia manambara ny fijerena zavatra ambony. DH: "Mijere ambony any amin'ny lanitra"
# toy ny setroka...tahaka ny akanjo...toy ny lalitra
Ireo rehetra ireo dia manondro ireo zavatra izay manjavona faingana sy mora foana na lasa tsy misy ilana azy.
# ny famonjeko dia haharitra mandrakizay
Ny famonjen'Andriamanitra eto dia manambara ny vokatry ny famonjeny, izay fahafahana izany. DH: "Hanavotra anareo Aho, dia ho afaka mandrakizay ianareo"
# ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa
Ny fahamarinan'Andriamanitra eto dia manambara Azy manapaka am-pahamarinana. DH: "ny fanapahako marina dia tsy hifarana mandrakizay" na "hanapaka am-pahamarinana mandrakizay Aho"