plt_tn/isa/51/06.md

829 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

Atopazo eny amin'ny lanitra ny masonareo

Ny fanopazana ny maso dia manambara ny fijerena zavatra ambony. DH: "Mijere ambony any amin'ny lanitra"

toy ny setroka...tahaka ny akanjo...toy ny lalitra

Ireo rehetra ireo dia manondro ireo zavatra izay manjavona faingana sy mora foana na lasa tsy misy ilana azy.

ny famonjeko dia haharitra mandrakizay

Ny famonjen'Andriamanitra eto dia manambara ny vokatry ny famonjeny, izay fahafahana izany. DH: "Hanavotra anareo Aho, dia ho afaka mandrakizay ianareo"

ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa

Ny fahamarinan'Andriamanitra eto dia manambara Azy manapaka am-pahamarinana. DH: "ny fanapahako marina dia tsy hifarana mandrakizay" na "hanapaka am-pahamarinana mandrakizay Aho"