# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh. # Atopazo eny amin'ny lanitra ny masonareo Ny fanopazana ny maso dia manambara ny fijerena zavatra ambony. DH: "Mijere ambony any amin'ny lanitra" # toy ny setroka...tahaka ny akanjo...toy ny lalitra Ireo rehetra ireo dia manondro ireo zavatra izay manjavona faingana sy mora foana na lasa tsy misy ilana azy. # ny famonjeko dia haharitra mandrakizay Ny famonjen'Andriamanitra eto dia manambara ny vokatry ny famonjeny, izay fahafahana izany. DH: "Hanavotra anareo Aho, dia ho afaka mandrakizay ianareo" # ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa Ny fahamarinan'Andriamanitra eto dia manambara Azy manapaka am-pahamarinana. DH: "ny fanapahako marina dia tsy hifarana mandrakizay" na "hanapaka am-pahamarinana mandrakizay Aho"