plt_tn/isa/44/01.md

678 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

Jakoba mpanompoko

Io dia manondro ireo taranak'i Jakoba. DH: "ireo taranak'i Jakoba, mpanompoko"

Izy izay nanao anao sy namolavola anao tao am-bohoka

Ny fahariana ny firenen'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe namolavola firenena toy ny zazakely ao an-kibon-dreniny izany. DH: "Izy izay nanao anao, toy ny namolavolako zazakely tao am-bohoka"

sy ianao, ry Jesorona, izay nofidiako

Ny matoanteny dia afaka ampidirina avy amin'ny andianteny teo aloha. DH: "ary aza matahotra ianao, ry Jesorona, izay nofidiako"

Jesorona

Io ihany koa dia manondro ny vahoakan'Israely.