plt_tn/isa/43/25.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

Izaho, eny, Izaho

Ny teny hoe "Izaho" dia naverina mba hanindriana. DH: "Izaho irery ihany"

Ilay mamono ny fandikan-dalànareo

Ny famelana fahotana dia resahina toy ny hoe na 1) famonoana izany na famafana izany na 2) famafana ny rakitra an-tsoratry ny fahotana. DH: "izay mamela ny fandikan-dalànareo tahaka ny olona mamafa zavatra" na "izay mamela ireo fandikan-dalànareo tahaka ny olona izay mamafa ny rakitry ny fahotana"

nohon'ny Amiko ihany

"nohon'ny voninahitro ihany" na "nohon'ny lazako ihany"

hahatsiaro

"mahatadidy"

asehoy ny hevitrareo, fa mety ho voaporofo ho tsy manan-tsiny ianareo

Manao fanamby amin'ny vahoaka mba hanolorana porofo fa tsy manan-tsiny nohon'ny zavatra izay niampangana azy ireo Yaveh, na dia fantany aza fa tsy afaka manao izany izy ireo. DH: "asehoy ny raharahanareo, nefa tsy afaka manaporofo ianareo fa tsy manan-tsiny ny tenanareo"

fa mety ho voaporofo ho tsy manan-tsiny ianareo

DH: "fa mety hanaporofo ianareo fa tsy manan-tsiny ny tenanareo"