plt_tn/isa/43/25.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
# Izaho, eny, Izaho
Ny teny hoe "Izaho" dia naverina mba hanindriana. DH: "Izaho irery ihany"
# Ilay mamono ny fandikan-dalànareo
Ny famelana fahotana dia resahina toy ny hoe na 1) famonoana izany na famafana izany na 2) famafana ny rakitra an-tsoratry ny fahotana. DH: "izay mamela ny fandikan-dalànareo tahaka ny olona mamafa zavatra" na "izay mamela ireo fandikan-dalànareo tahaka ny olona izay mamafa ny rakitry ny fahotana"
# nohon'ny Amiko ihany
"nohon'ny voninahitro ihany" na "nohon'ny lazako ihany"
# hahatsiaro
"mahatadidy"
# asehoy ny hevitrareo, fa mety ho voaporofo ho tsy manan-tsiny ianareo
Manao fanamby amin'ny vahoaka mba hanolorana porofo fa tsy manan-tsiny nohon'ny zavatra izay niampangana azy ireo Yaveh, na dia fantany aza fa tsy afaka manao izany izy ireo. DH: "asehoy ny raharahanareo, nefa tsy afaka manaporofo ianareo fa tsy manan-tsiny ny tenanareo"
# fa mety ho voaporofo ho tsy manan-tsiny ianareo
DH: "fa mety hanaporofo ianareo fa tsy manan-tsiny ny tenanareo"