plt_tn/isa/40/25.md

873 B

Amin'iza ary no hampitahanao Ahy, iza no mitovy Amiko?

Mampiasa ireo fanontaniana fampisainana mitovy ireo Yaveh mba hanindriana fa tsy misy olona tahaka Azy. DH: "Tsy misy olona izay azo ampitahaina Amiko. Tsy misy olona izay mitovy Amiko."

Iza no namorona ireo kintana rehetra ireo?

Io dia fanontaniana izay miandry valiny. DH: "Namorona ireo kintana rehetra ireo Yaveh!"

Mamoaka azy ireo amin'ny antokony Izy

Eto ny teny hoe "antokony" dia manondro ny antoko miaramila. Resahin'ny mpaminany toy ny hoe miaramila izay nobaikon'i Yaveh mba hipoitra ireo kintana.

Tamin'ny halehiben'ny heriny sy tamin'ny tanjaky ny fahefany

Ny andianteny hoe "ny halehiben'ny heriny" sy "sy ny tanjaky ny fahefany" dia mamorona poa-droa izay manindry ny herin'i Yaveh. DH: "Tamin'ny halehiben'ny hery sy ny tanjaka mahery"

nisy iray tsy teo

DH: "teo avokoa izy rehetra"